Psalms 109
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ry Andriamanitra fidèrako ô, aza mangìna Hianao,Select Psalms 109:1
2Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy.Select Psalms 109:2
3Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.Select Psalms 109:3
4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.Select Psalms 109:4
5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.Select Psalms 109:5
6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.Select Psalms 109:6
7Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.Select Psalms 109:7
8Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany.Select Psalms 109:8
9Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadinySelect Psalms 109:9
10Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.Select Psalms 109:10
11Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.Select Psalms 109:11
12Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.Select Psalms 109:12
13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.Select Psalms 109:13
14Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.Select Psalms 109:14
15Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy.Select Psalms 109:15
16Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;Select Psalms 109:16
17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.Select Psalms 109:17
18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;Select Psalms 109:18
19Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.Select Psalms 109:19
20Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.Select Psalms 109:20
21Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.Select Psalms 109:21
22Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.Select Psalms 109:22
23Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.Select Psalms 109:23
24Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko.Select Psalms 109:24
25Ary izaho dia tonga fandatsan’ ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.Select Psalms 109:25
26Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;Select Psalms 109:26
27Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.Select Psalms 109:27
28Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.Select Psalms 109:28
29Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.Select Psalms 109:29
30Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy.Select Psalms 109:30
31Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny.Select Psalms 109:31
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain