Psalms 11
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?Select Psalms 11:1
2Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.Select Psalms 11:2
3Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?Select Psalms 11:3
4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.Select Psalms 11:4
5Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny.Select Psalms 11:5
6Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.Select Psalms 11:6
7Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.Select Psalms 11:7
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain