Psalms 111
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.Select Psalms 111:1
2Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.Select Psalms 111:2
3Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.Select Psalms 111:3
4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.Select Psalms 111:4
5Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.Select Psalms 111:5
6Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.Select Psalms 111:6
7Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;Select Psalms 111:7
8Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.Select Psalms 111:8
9Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.Select Psalms 111:9
10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.Select Psalms 111:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain