Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 115

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.Select Psalms 115:1

2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?Select Psalms 115:2

3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.Select Psalms 115:3

4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:Select Psalms 115:4

5Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;Select Psalms 115:5

6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:Select Psalms 115:6

7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.Select Psalms 115:7

8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.Select Psalms 115:8

9Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.Select Psalms 115:9

10Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.Select Psalms 115:10

11Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.Select Psalms 115:11

12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;Select Psalms 115:12

13Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.Select Psalms 115:13

14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.Select Psalms 115:14

15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.Select Psalms 115:15

16Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.Select Psalms 115:16

17Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;Select Psalms 115:17

18Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.Select Psalms 115:18

Next: Psalms 116Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.