Psalms 120
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,Select Psalms 120:1
2Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitakaSelect Psalms 120:2
3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?Select Psalms 120:3
4Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.Select Psalms 120:4
5Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!Select Psalms 120:5
6Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.Select Psalms 120:6
7Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.Select Psalms 120:7
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain