Psalms 121
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?Select Psalms 121:1
2Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.Select Psalms 121:2
3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.Select Psalms 121:3
4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.Select Psalms 121:4
5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.Select Psalms 121:5
6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.Select Psalms 121:6
7Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.Select Psalms 121:7
8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.Select Psalms 121:8
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain