Psalms 122
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.Select Psalms 122:1
2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,Select Psalms 122:2
3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;Select Psalms 122:3
4Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.Select Psalms 122:4
5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.Select Psalms 122:5
6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;Select Psalms 122:6
7Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanaoSelect Psalms 122:7
8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.Select Psalms 122:8
9Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.Select Psalms 122:9
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain