Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 124

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:Select Psalms 124:1

2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.Select Psalms 124:2

3Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;Select Psalms 124:3

4Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;Select Psalms 124:4

5Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.Select Psalms 124:5

6Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.Select Psalms 124:6

7Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.Select Psalms 124:7

8Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.Select Psalms 124:8

Next: Psalms 125Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.