Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 128

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.Select Psalms 128:1

2Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.Select Psalms 128:2

3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.Select Psalms 128:3

4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.Select Psalms 128:4

5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.Select Psalms 128:5

6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.Select Psalms 128:6

Next: Psalms 129Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.