Psalms 13
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?Select Psalms 13:2
3Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?Select Psalms 13:3
4Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;Select Psalms 13:4
5Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.Select Psalms 13:5
6Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’ i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;Select Psalms 13:6
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain