Psalms 132
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,Select Psalms 132:1
2Dia ilay nianiana tamin’ i Jehovah Sy nivoady tamin’ ny Maherin’ i Jakoba hoe:Select Psalms 132:2
3Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin’ ny farafara fandriako,Select Psalms 132:3
4Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,Select Psalms 132:4
5Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba.Select Psalms 132:5
6Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika.Select Psalms 132:6
7Aoka hiditra any amin’ ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin’ ny fitoeran-tongony.Select Psalms 132:7
8Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao.Select Psalms 132:8
9Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.Select Psalms 132:9
10Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao.Select Psalms 132:10
11Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao.Select Psalms 132:11
12Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.Select Psalms 132:12
13Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.Select Psalms 132:13
14Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.Select Psalms 132:14
15Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.Select Psalms 132:15
16Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masìna ao.Select Psalms 132:16
17Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro.Select Psalms 132:17
18Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.Select Psalms 132:18
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain