Psalms 135
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah,Select Psalms 135:1
2Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika.Select Psalms 135:2
3Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.Select Psalms 135:3
4Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,Select Psalms 135:4
5Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.Select Psalms 135:5
6Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.Select Psalms 135:6
7Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,Select Psalms 135:7
8Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.Select Psalms 135:8
9Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,Select Psalms 135:9
10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,Select Psalms 135:10
11Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra;Select Psalms 135:11
12Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony.Select Psalms 135:12
13Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.Select Psalms 135:13
14Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony.Select Psalms 135:14
15Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;Select Psalms 135:15
16Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;Select Psalms 135:16
17Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.Select Psalms 135:17
18Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.Select Psalms 135:18
19Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;Select Psalms 135:19
20Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah.Select Psalms 135:20
21Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.Select Psalms 135:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain