Psalms 136
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 136:1
2Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 136:2
3Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;Select Psalms 136:3
4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:4
5Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:5
6Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:6
7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:7
8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:8
9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:9
10Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)Select Psalms 136:10
11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:11
12Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:12
13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:13
14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:14
15Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:15
16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:16
17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:17
18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:18
19Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:19
20Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:20
21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:21
22Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:22
23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:23
24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),Select Psalms 136:24
25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);Select Psalms 136:25
26Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 136:26
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain