Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 139

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.Select Psalms 139:1

2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.Select Psalms 139:2

3Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.Select Psalms 139:3

4Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô.Select Psalms 139:4

5Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.Select Psalms 139:5

6Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.Select Psalms 139:6

7Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?Select Psalms 139:7

8Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.Select Psalms 139:8

9Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina,Select Psalms 139:9

10Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.Select Psalms 139:10

11Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,Select Psalms 139:11

12Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.Select Psalms 139:12

13Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.Select Psalms 139:13

14Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.Select Psalms 139:14

15Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.Select Psalms 139:15

16Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.Select Psalms 139:16

17Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany!Select Psalms 139:17

18Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.Select Psalms 139:18

19Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.Select Psalms 139:19

20Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.Select Psalms 139:20

21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?Select Psalms 139:21

22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.Select Psalms 139:22

23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;Select Psalms 139:23

24Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.Select Psalms 139:24

Next: Psalms 140Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.