Psalms 140
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe,Select Psalms 140:2
3Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ androSelect Psalms 140:3
4Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. [Sela.]Select Psalms 140:4
5Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.Select Psalms 140:5
6Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.Select Psalms 140:6
7Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô!Select Psalms 140:7
8Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao.Select Psalms 140:8
9Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. [Sela.]Select Psalms 140:9
10Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony.Select Psalms 140:10
11Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.Select Psalms 140:11
12Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.Select Psalms 140:12
13Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.Select Psalms 140:13
14Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.Select Psalms 140:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain