Psalms 141
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin’ ny fiantsoako Anao.Select Psalms 141:1
2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.Select Psalms 141:2
3Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro.Select Psalms 141:3
4Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.Select Psalms 141:4
5Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.Select Psalms 141:5
6Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.Select Psalms 141:6
7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita.Select Psalms 141:7
8Fa Hianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.Select Psalms 141:8
9Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy.Select Psalms 141:9
10Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.Select Psalms 141:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain