Psalms 144
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,Select Psalms 144:1
2Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahySelect Psalms 144:2
3Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy?Select Psalms 144:3
4Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.Select Psalms 144:4
5Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.Select Psalms 144:5
6Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;Select Psalms 144:6
7Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena,Select Psalms 144:7
8Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.Select Psalms 144:8
9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao,Select Psalms 144:9
10Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra.Select Psalms 144:10
11Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;Select Psalms 144:11
12Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy.Select Psalms 144:12
13Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;Select Psalms 144:13
14Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.Select Psalms 144:14
15Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny.Select Psalms 144:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain