Psalms 145
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.Select Psalms 145:1
2Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.Select Psalms 145:2
3Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.Select Psalms 145:3
4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.Select Psalms 145:4
5Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.Select Psalms 145:5
6Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.Select Psalms 145:6
7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.Select Psalms 145:7
8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.Select Psalms 145:8
9Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.Select Psalms 145:9
10Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao.Select Psalms 145:10
11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,Select Psalms 145:11
12Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.Select Psalms 145:12
13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.Select Psalms 145:13
14Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.Select Psalms 145:14
15Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.Select Psalms 145:15
16Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.Select Psalms 145:16
17Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra.Select Psalms 145:17
18Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.Select Psalms 145:18
19Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.Select Psalms 145:19
20Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.Select Psalms 145:20
21Ny fiderana an’ i Jehovah no hotenenin’ ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masìna mandrakizay doria.Select Psalms 145:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain