Psalms 147
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.Select Psalms 147:1
2Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.Select Psalms 147:2
3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.Select Psalms 147:3
4Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.Select Psalms 147:4
5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.Select Psalms 147:5
6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.Select Psalms 147:6
7Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,Select Psalms 147:7
8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,Select Psalms 147:8
9Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.Select Psalms 147:9
10Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.Select Psalms 147:10
11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.Select Psalms 147:11
12Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.Select Psalms 147:12
13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.Select Psalms 147:13
14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.Select Psalms 147:14
15Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.Select Psalms 147:15
16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.Select Psalms 147:16
17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?Select Psalms 147:17
18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.Select Psalms 147:18
19Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.Select Psalms 147:19
20Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.Select Psalms 147:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain