Psalms 17
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka.Select Psalms 17:1
2Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.Select Psalms 17:2
3Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.Select Psalms 17:3
4Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny.Select Psalms 17:4
5Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.Select Psalms 17:5
6Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.Select Psalms 17:6
7Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo.Select Psalms 17:7
8Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,Select Psalms 17:8
9Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.Select Psalms 17:9
10Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.Select Psalms 17:10
11Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay;Select Psalms 17:11
12Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.Select Psalms 17:12
13Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;Select Psalms 17:13
14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.Select Psalms 17:14
15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.Select Psalms 17:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain