Psalms 19
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany.Select Psalms 19:2
3Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy.Select Psalms 19:3
4Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.Select Psalms 19:4
5Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy;Select Psalms 19:5
6Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy.Select Psalms 19:6
7Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.Select Psalms 19:7
8Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.Select Psalms 19:8
9Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso.Select Psalms 19:9
10Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.Select Psalms 19:10
11Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra.Select Psalms 19:11
12Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe.Select Psalms 19:12
13Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra.Select Psalms 19:13
14Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.Select Psalms 19:14
15Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.Select Psalms 19:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain