Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 20

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.Select Psalms 20:2

3Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.Select Psalms 20:3

4Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]Select Psalms 20:4

5Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.Select Psalms 20:5

6Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.Select Psalms 20:6

7Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.Select Psalms 20:7

8Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.Select Psalms 20:8

9Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,Select Psalms 20:9

10Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.Select Psalms 20:10

Next: Psalms 21Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.