Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 21

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!Select Psalms 21:2

3Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. [Sela.]Select Psalms 21:3

4Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.Select Psalms 21:4

5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.Select Psalms 21:5

6Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.Select Psalms 21:6

7Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.Select Psalms 21:7

8Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.Select Psalms 21:8

9Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;Select Psalms 21:9

10Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.Select Psalms 21:10

11Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;Select Psalms 21:11

12Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.Select Psalms 21:12

13Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.Select Psalms 21:13

14Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.Select Psalms 21:14

Next: Psalms 22Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses a voice on this device.