Psalms 24
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.Select Psalms 24:1
2Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.Select Psalms 24:2
3Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna?Select Psalms 24:3
4Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.Select Psalms 24:4
5Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.Select Psalms 24:5
6Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Sela.]Select Psalms 24:6
7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.Select Psalms 24:7
8Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.Select Psalms 24:8
9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.Select Psalms 24:9
10Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. [Sela.]Select Psalms 24:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain