Psalms 25
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.Select Psalms 25:1
2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.Select Psalms 25:2
3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.Select Psalms 25:3
4Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.Select Psalms 25:4
5Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.Select Psalms 25:5
6Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.Select Psalms 25:6
7Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,Select Psalms 25:7
8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.Select Psalms 25:8
9Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.Select Psalms 25:9
10Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.Select Psalms 25:10
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.Select Psalms 25:11
12Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.Select Psalms 25:12
13Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.Select Psalms 25:13
14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.Select Psalms 25:14
15Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.Select Psalms 25:15
16Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.Select Psalms 25:16
17Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.Select Psalms 25:17
18Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.Select Psalms 25:18
19Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.Select Psalms 25:19
20Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.Select Psalms 25:20
21Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.Select Psalms 25:21
22Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.Select Psalms 25:22
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain