Psalms 26
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.Select Psalms 26:1
2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.Select Psalms 26:2
3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho.Select Psalms 26:3
4Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy.Select Psalms 26:4
5Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho.Select Psalms 26:5
6Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,Select Psalms 26:6
7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.Select Psalms 26:7
8Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.Select Psalms 26:8
9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,Select Psalms 26:9
10Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.Select Psalms 26:10
11Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.Select Psalms 26:11
12Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.Select Psalms 26:12
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain