Psalms 30
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.Select Psalms 30:2
3Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.Select Psalms 30:3
4Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho.Select Psalms 30:4
5Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.Select Psalms 30:5
6Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.Select Psalms 30:6
7Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.Select Psalms 30:7
8Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.Select Psalms 30:8
9Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:Select Psalms 30:9
10Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?Select Psalms 30:10
11Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.Select Psalms 30:11
12Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,Select Psalms 30:12
13Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.Select Psalms 30:13
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain