Psalms 31
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho.Select Psalms 31:2
3Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.Select Psalms 31:3
4Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.Select Psalms 31:4
5Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.Select Psalms 31:5
6Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.Select Psalms 31:6
7Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.Select Psalms 31:7
8Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,Select Psalms 31:8
9ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao.Select Psalms 31:9
10Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.Select Psalms 31:10
11Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.Select Psalms 31:11
12Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.Select Psalms 31:12
13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.Select Psalms 31:13
14Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.Select Psalms 31:14
15Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.Select Psalms 31:15
16Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.Select Psalms 31:16
17Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho.Select Psalms 31:17
18Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.Select Psalms 31:18
19Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana.Select Psalms 31:19
20Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!Select Psalms 31:20
21Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy.Select Psalms 31:21
22Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.Select Psalms 31:22
23Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.Select Psalms 31:23
24Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.Select Psalms 31:24
25Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’ i Jehovah.Select Psalms 31:25
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain