Psalms 34
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.Select Psalms 34:2
3Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.Select Psalms 34:3
4Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.Select Psalms 34:4
5Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.Select Psalms 34:5
6Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.Select Psalms 34:6
7Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.Select Psalms 34:7
8Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.Select Psalms 34:8
9Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.Select Psalms 34:9
10Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.Select Psalms 34:10
11Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.Select Psalms 34:11
12Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.Select Psalms 34:12
13Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,Select Psalms 34:13
14Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.Select Psalms 34:14
15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.Select Psalms 34:15
16Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.Select Psalms 34:16
17Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.Select Psalms 34:17
18Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.Select Psalms 34:18
19Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.Select Psalms 34:19
20Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.Select Psalms 34:20
21Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.Select Psalms 34:21
22Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.Select Psalms 34:22
23Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.Select Psalms 34:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain