Skip to content
Church.wiki

Psalms 36

Baiboly Malagasy (1865)

1 (not in this translation)

2 Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.

3 Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.

4 Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.

5 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.

6 Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.

7 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,

8 Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.

9 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.

10 Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

11 Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.

12 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.

13 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.

About this translation

Baiboly Malagasy (1865) · Malagasy

Baiboly Malagasy (1865)

Public Domain · Translation source

La Bible Malagache Malagasy Bible (1865) La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.