Psalms 38
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.Select Psalms 38:2
3Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,Select Psalms 38:3
4Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.Select Psalms 38:4
5Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.Select Psalms 38:5
6Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.Select Psalms 38:6
7Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.Select Psalms 38:7
8Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.Select Psalms 38:8
9Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.Select Psalms 38:9
10Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.Select Psalms 38:10
11Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.Select Psalms 38:11
12Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.Select Psalms 38:12
13Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.Select Psalms 38:13
14Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;Select Psalms 38:14
15Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.Select Psalms 38:15
16Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.Select Psalms 38:16
17Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.Select Psalms 38:17
18Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.Select Psalms 38:18
19Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.Select Psalms 38:19
20Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;Select Psalms 38:20
21Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.Select Psalms 38:21
22Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.Select Psalms 38:22
23Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.Select Psalms 38:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain