Psalms 43
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin’ ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.Select Psalms 43:1
2Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko?Select Psalms 43:2
3Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masìna, dia ho any amin’ ny tabernakelinao.Select Psalms 43:3
4Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.Select Psalms 43:4
5Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.Select Psalms 43:5
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain