Skip to content
Church.wiki

Psalms 46

Baiboly Malagasy (1865)

1 (not in this translation)

2 Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy.

3 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. [Sela.]

5 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.

6 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.

7 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.

8 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. [Sela.]

9 Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;

10 Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.

11 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.

12 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika. [Sela.]

About this translation

Baiboly Malagasy (1865) · Malagasy

Baiboly Malagasy (1865)

Public Domain · Translation source

La Bible Malagache Malagasy Bible (1865) La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.