Psalms 49
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:Select Psalms 49:2
3Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.Select Psalms 49:3
4Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana.Select Psalms 49:4
5Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.Select Psalms 49:5
6Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,Select Psalms 49:6
7Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?Select Psalms 49:7
8Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,Select Psalms 49:8
9(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),Select Psalms 49:9
10Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.Select Psalms 49:10
11Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.Select Psalms 49:11
12Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.Select Psalms 49:12
13Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.Select Psalms 49:13
14Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.]Select Psalms 49:14
15Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.Select Psalms 49:15
16Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. [Sela.]Select Psalms 49:16
17Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;Select Psalms 49:17
18Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.Select Psalms 49:18
19Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ―Select Psalms 49:19
20Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.Select Psalms 49:20
21Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.Select Psalms 49:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain