Skip to content
Church.wiki

Psalms 52

Baiboly Malagasy (1865)

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,

2 fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka.

3 Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.

4 Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

5 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.]

6 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.

7 Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.]

8 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:

9 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.

10 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.

11 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.

About this translation

Baiboly Malagasy (1865) · Malagasy

Baiboly Malagasy (1865)

Public Domain · Translation source

La Bible Malagache Malagasy Bible (1865) La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.