Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 54

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida,Select Psalms 54:1

2fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida?Select Psalms 54:2

3Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.Select Psalms 54:3

4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.Select Psalms 54:4

5Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.]Select Psalms 54:5

6Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.Select Psalms 54:6

7Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.Select Psalms 54:7

8Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.Select Psalms 54:8

9Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.Select Psalms 54:9

Next: Psalms 55Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.