Psalms 58
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona?Select Psalms 58:2
3Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo.Select Psalms 58:3
4Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.Select Psalms 58:4
5Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,Select Psalms 58:5
6Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.Select Psalms 58:6
7Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô.Select Psalms 58:7
8Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;Select Psalms 58:8
9Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.Select Psalms 58:9
10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.Select Psalms 58:10
11Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy;Select Psalms 58:11
12Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany.Select Psalms 58:12
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain