Psalms 59
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.Select Psalms 59:2
3Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.Select Psalms 59:3
4Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.Select Psalms 59:4
5Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.Select Psalms 59:5
6Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. [Sela.]Select Psalms 59:6
7Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.Select Psalms 59:7
8Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?Select Psalms 59:8
9Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.Select Psalms 59:9
10Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.Select Psalms 59:10
11Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.Select Psalms 59:11
12Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.Select Psalms 59:12
13Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.Select Psalms 59:13
14Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. [Sela.]Select Psalms 59:14
15Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.Select Psalms 59:15
16Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.Select Psalms 59:16
17Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.Select Psalms 59:17
18Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.Select Psalms 59:18
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain