Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 61

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.Select Psalms 61:2

3Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;Select Psalms 61:3

4Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.Select Psalms 61:4

5Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,Select Psalms 61:5

6Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.Select Psalms 61:6

7Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.Select Psalms 61:7

8Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;Select Psalms 61:8

9Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.Select Psalms 61:9

Next: Psalms 62Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.