Skip to content
Church.wiki

Psalms 63

Baiboly Malagasy (1865)

1 (not in this translation)

2 Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;

3 Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.

4 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.

5 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.

6 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.

7 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.

8 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.

9 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.

10 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy;

11 Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.

12 Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.

About this translation

Baiboly Malagasy (1865) · Malagasy

Baiboly Malagasy (1865)

Public Domain · Translation source

La Bible Malagache Malagasy Bible (1865) La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.