Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 69

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano.Select Psalms 69:2

3Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.Select Psalms 69:3

4Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.Select Psalms 69:4

5Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.Select Psalms 69:5

6Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.Select Psalms 69:6

7Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.Select Psalms 69:7

8Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.Select Psalms 69:8

9Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho.Select Psalms 69:9

10Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.Select Psalms 69:10

11Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.Select Psalms 69:11

12Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.Select Psalms 69:12

13Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho.Select Psalms 69:13

14Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao.Select Psalms 69:14

15Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina.Select Psalms 69:15

16Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.Select Psalms 69:16

17Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao.Select Psalms 69:17

18Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.Select Psalms 69:18

19Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ ny fahavaloko.Select Psalms 69:19

20Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.Select Psalms 69:20

21Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.Select Psalms 69:21

22Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.Select Psalms 69:22

23Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy.Select Psalms 69:23

24Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.Select Psalms 69:24

25Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao.Select Psalms 69:25

26Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.Select Psalms 69:26

27Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy.Select Psalms 69:27

28Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy.Select Psalms 69:28

29Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina.Select Psalms 69:29

30Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.Select Psalms 69:30

31Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana.Select Psalms 69:31

32Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.Select Psalms 69:32

33Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra.Select Psalms 69:33

34Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.Select Psalms 69:34

35Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.Select Psalms 69:35

36Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;Select Psalms 69:36

37Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.Select Psalms 69:37

Next: Psalms 70Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses a voice on this device.