Psalms 75
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.Select Psalms 75:2
3Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.Select Psalms 75:3
4Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.]Select Psalms 75:4
5Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;Select Psalms 75:5
6Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.Select Psalms 75:6
7Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.Select Psalms 75:7
8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.Select Psalms 75:8
9Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.Select Psalms 75:9
10Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.Select Psalms 75:10
11Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.Select Psalms 75:11
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain