Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 78

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ ny tenin’ ny vavako.Select Psalms 78:1

2Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.Select Psalms 78:2

3Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,Select Psalms 78:3

4Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.Select Psalms 78:4

5Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;Select Psalms 78:5

6Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,Select Psalms 78:6

7Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;Select Psalms 78:7

8Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.Select Psalms 78:8

9Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.Select Psalms 78:9

10Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;Select Psalms 78:10

11Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.Select Psalms 78:11

12Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.Select Psalms 78:12

13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.Select Psalms 78:13

14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.Select Psalms 78:14

15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.Select Psalms 78:15

16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.Select Psalms 78:16

17Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.Select Psalms 78:17

18Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.Select Psalms 78:18

19Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?Select Psalms 78:19

20Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?Select Psalms 78:20

21Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,Select Psalms 78:21

22Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.Select Psalms 78:22

23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,Select Psalms 78:23

24Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.Select Psalms 78:24

25Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.Select Psalms 78:25

26Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.Select Psalms 78:26

27Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,Select Psalms 78:27

28Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany.Select Psalms 78:28

29Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.Select Psalms 78:29

30Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;Select Psalms 78:30

31Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely.Select Psalms 78:31

32Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.Select Psalms 78:32

33Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.Select Psalms 78:33

34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.Select Psalms 78:34

35Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.Select Psalms 78:35

36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.Select Psalms 78:36

37Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.Select Psalms 78:37

38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,Select Psalms 78:38

39Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.Select Psalms 78:39

40Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!Select Psalms 78:40

41Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.Select Psalms 78:41

42Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,Select Psalms 78:42

43Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:Select Psalms 78:43

44Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.Select Psalms 78:44

45Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.Select Psalms 78:45

46Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala.Select Psalms 78:46

47Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy.Select Psalms 78:47

48Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra.Select Psalms 78:48

49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.Select Psalms 78:49

50Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;Select Psalms 78:50

51Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama;Select Psalms 78:51

52Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.Select Psalms 78:52

53Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.Select Psalms 78:53

54Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana.Select Psalms 78:54

55Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy.Select Psalms 78:55

56Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.Select Psalms 78:56

57Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.Select Psalms 78:57

58Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.Select Psalms 78:58

59Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,Select Psalms 78:59

60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;Select Psalms 78:60

61Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.Select Psalms 78:61

62Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy.Select Psalms 78:62

63Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.Select Psalms 78:63

64Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona.Select Psalms 78:64

65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.Select Psalms 78:65

66Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.Select Psalms 78:66

67Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny.Select Psalms 78:67

68Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.Select Psalms 78:68

69Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.Select Psalms 78:69

70Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;Select Psalms 78:70

71Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Select Psalms 78:71

72Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.Select Psalms 78:72

Next: Psalms 79Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.