Skip to content
Church.wiki

Psalms 84

Baiboly Malagasy (1865)

1 (not in this translation)

2 Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!

3 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.

4 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.

5 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.]

6 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;

7 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.

8 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.

9 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.]

10 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.

11 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.

12 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.

13 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

About this translation

Baiboly Malagasy (1865) · Malagasy

Baiboly Malagasy (1865)

Public Domain · Translation source

La Bible Malagache Malagasy Bible (1865) La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.