Psalms 88
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao;Select Psalms 88:2
3Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;Select Psalms 88:3
4Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.Select Psalms 88:4
5Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;Select Psalms 88:5
6Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.Select Psalms 88:6
7Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina.Select Psalms 88:7
8Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.]Select Psalms 88:8
9Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.Select Psalms 88:9
10Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho.Select Psalms 88:10
11Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?Select Psalms 88:11
12Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana?Select Psalms 88:12
13Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?Select Psalms 88:13
14Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.Select Psalms 88:14
15Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?Select Psalms 88:15
16Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;Select Psalms 88:16
17Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho;Select Psalms 88:17
18Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.Select Psalms 88:18
19Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.Select Psalms 88:19
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain