Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 91

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.Select Psalms 91:1

2Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.Select Psalms 91:2

3Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.Select Psalms 91:3

4Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.Select Psalms 91:4

5Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,Select Psalms 91:5

6Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.Select Psalms 91:6

7Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izanySelect Psalms 91:7

8Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.Select Psalms 91:8

9Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,Select Psalms 91:9

10Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.Select Psalms 91:10

11Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.Select Psalms 91:11

12Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.Select Psalms 91:12

13Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.Select Psalms 91:13

14Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izySelect Psalms 91:14

15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.Select Psalms 91:15

16Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.Select Psalms 91:16

Next: Psalms 92Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.