Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 94

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.Select Psalms 94:1

2Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.Select Psalms 94:2

3Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?Select Psalms 94:3

4Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.Select Psalms 94:4

5Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;Select Psalms 94:5

6Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matinySelect Psalms 94:6

7Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba.Select Psalms 94:7

8Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?Select Psalms 94:8

9Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?Select Psalms 94:9

10Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?Select Psalms 94:10

11Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.Select Psalms 94:11

12Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,Select Psalms 94:12

13Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 94:13

14Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.Select Psalms 94:14

15Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetraSelect Psalms 94:15

16Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?Select Psalms 94:16

17Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.Select Psalms 94:17

18Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.Select Psalms 94:18

19Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.Select Psalms 94:19

20Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?Select Psalms 94:20

21Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.Select Psalms 94:21

22Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.Select Psalms 94:22

23Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy.Select Psalms 94:23

Next: Psalms 95Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.