Psalms 97
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.Select Psalms 97:1
2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.Select Psalms 97:2
3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.Select Psalms 97:3
4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.Select Psalms 97:4
5Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.Select Psalms 97:5
6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.Select Psalms 97:6
7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.Select Psalms 97:7
8Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.Select Psalms 97:8
9Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao.Select Psalms 97:9
10Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 97:10
11Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.Select Psalms 97:11
12Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.Select Psalms 97:12
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain