Deuteronomy 10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;Select Deuteronomy 10:1
2dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.Select Deuteronomy 10:2
3Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.Select Deuteronomy 10:3
4Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.Select Deuteronomy 10:4
5Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’ i Jehovah ahy.Select Deuteronomy 10:5
6Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha niala tamin’ ny fantsakan’ i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’ i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.Select Deuteronomy 10:6
7Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.Select Deuteronomy 10:7
8Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.Select Deuteronomy 10:8
9Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.Select Deuteronomy 10:9
10Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’ izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.Select Deuteronomy 10:10
11Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.Select Deuteronomy 10:11
12Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,Select Deuteronomy 10:12
13hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?Select Deuteronomy 10:13
14Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.Select Deuteronomy 10:14
15Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.Select Deuteronomy 10:15
16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.Select Deuteronomy 10:16
17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;Select Deuteronomy 10:17
18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.Select Deuteronomy 10:18
19Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.Select Deuteronomy 10:19
20Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.Select Deuteronomy 10:20
21Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.Select Deuteronomy 10:21
22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.Select Deuteronomy 10:22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation