Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.Select Deuteronomy 11:1

2Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitraSelect Deuteronomy 11:2

3sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny taniny rehetra,Select Deuteronomy 11:3

4sy izay nataony tamin’ ny miaramilan’ ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan’ i Jehovah mandraka androany,Select Deuteronomy 11:4

5ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity,Select Deuteronomy 11:5

6ary izay nataony tamin’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, zanak’ i Robena, teo amin’ ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ ny tany sy nitelemany azy mbamin’ ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan’ aina izay nomba azy;Select Deuteronomy 11:6

7fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’ i Jehovah.Select Deuteronomy 11:7

8Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;Select Deuteronomy 11:8

9ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.Select Deuteronomy 11:9

10Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman’ ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen’ anana.Select Deuteronomy 11:10

11Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ ny ranonoran-danitra,Select Deuteronomy 11:11

12dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.Select Deuteronomy 11:12

13Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,Select Deuteronomy 11:13

14dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;Select Deuteronomy 11:14

15ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.Select Deuteronomy 11:15

16Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;Select Deuteronomy 11:16

17ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.Select Deuteronomy 11:17

18Koa alatsaho ao amin’ ny fonareo sy ao amin’ ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinareo;Select Deuteronomy 11:18

19ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;Select Deuteronomy 11:19

20ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao izy;Select Deuteronomy 11:20

21mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ ny taranakareo eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy, toy ny faharetan’ ny lanitra ambonin’ ny tany.Select Deuteronomy 11:21

22Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin’ ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,Select Deuteronomy 11:22

23dia horoahin’ i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.Select Deuteronomy 11:23

24Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladian’ ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin’ ny efitra sy Libanona ary hatramin’ ny ony Eofrata ka hatramin’ ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.Select Deuteronomy 11:24

25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.Select Deuteronomy 11:25

26Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:Select Deuteronomy 11:26

27fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;Select Deuteronomy 11:27

28ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.Select Deuteronomy 11:28

29Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.Select Deuteronomy 11:29

30Tsy any an-dafin’ i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin’ ny tanin’ ny Kananita, izay monina eo amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Gilgaly, eo anilan’ ny hazo terebintan’ i More?Select Deuteronomy 11:30

31Fa ianareo efa handeha hita an’ i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;Select Deuteronomy 11:31

32koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.Select Deuteronomy 11:32

Next: Deuteronomy 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.